tsy misy toa anao.. - Aino
Azo vakiana?
Ianao tsy mba misy hafa, satsia ianao irery no naharesy ny fanahiko
Ary ilay toherana lalinindrindra ao ampoko ao no teheranao,
Fatatro ny fitiavanao ahy,
ireo alina mangina,kitana mamiratra
Ireo mozika tsara indrindra, ireo teny mamy, ireo nofinofy,
Izany rehetra izany dia kely ho ahy, fa ianao no mameno ny fiainako
Satsia ianao no nofiko, ilay fitia tsara indrindra nomenao ahy
Satsia ianao no val’ireo fanotaniako, valin'ny tsara
Izay ho entiko sy hiainako eto amin’izao fiainana izao.
Ny nofy, ny tomany, ny hehy, ny fitia,
Ary ny hira sy ireo soratroratra, hisaorako ny Avo
Satsia natolony ho diaviko avokoa mba hamiratra ny lalako.
Hikiakiaka farany izay mafy indrindra aho hoe tiako ianao
Ary ho heno eny amin’ny habakabakin’ny lanitra eny.
Ny any angatahiko any Tompo Avo indrindra
Mba ho eo faona anie ilay fitiavan-tsika,
Hamakivak’ireo taona maro, hiaradia ho any@ fahanterana
Ireo fahoriana sy ireo fifaliana mandrapikipin’ireto masoko roa!
ka hoy aho hoe: tsy misy toa anao.
Hevitra mandeha
Nyaritra (24/04/2008 04:34:58)
critique pour construire ty an!tsara le tononkalo stp mba somary ahitsio kely fotsiny ny tsipelinao de mivoaka milay io.Aza maka L an!
Aino (05/05/2008 10:16:30)
Nyaritra merci fa za koa aza mba nijery ilay izy fa misy tsy mety.
winner (27/11/2008 16:43:56)
mbola azo tohizana mihoatra ny eo @ fikipin'ny maso roa ve izy io ry aino ?
Aino (03/12/2010 08:58:34)
de tsy hay intsony fa rehefa tonga ny aingam-panahy de mande hoazy hihih
Mombamomba
Mpanoratra : Aino
Nampiditra : AinoDaty : 22/04/2008
Mpamangy : 2960
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ny fitiavako anaotiako nefa
efa tsy anao hintsony
Misaotra
Nakaiza lahy
Tsiaro
Mandrakizay
maminko ianao
Ventsoko
Mifona aminao ry Ray