ARABO (AJO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARABO

Feno ny volana,
volana Aprily
volana tandrefana
misary kapsily
lalovana soavaly anaty rivo-pasika
sy tany midadasika,
efitry ny trambo...
amin'ny dihy miolankolan'ny
tovovavy arabo,
nanolankolana ny vatany
anaty saromboaly, misarontsaron-tava,
isian'ny topimasony
nanao antsamotady
niantsampy teny amiko
O! takatro sahady...

Feno ny volana,
ary tena meva,
F'efa 'zatsy miandry 'zatsy
'reo andiana rameva
efa reraka sy hana,
miandry hampisotroiko
avy etsy ampatsakana...
.............................
Fa tetsy imorona finintana
no nitaratra ny kintana,
teren'ny alina hiforona;
saingy teo alohan'izany
no efa niantso ahy ny vorona
hikopaka, hiatsinanana
any koa... mba fenomanana.

Feno ny volana
volana aprily
volana atsinanana
anaty afon-dasin'ireo
antoko tily
nanangana faneva,
ny sisa ato antranoko?
sary zazavavy arabo
nilaozana rameva...
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1122 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AJO
Nampiditra : daybreak
Daty : 12/02/2011 22:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104