ORA FAHAFIRY? (AJO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
'Zao no ora fiketrehan'
ny nahandrom-barintsika
amin'ito nongo triatra;
'Zao no sora-pilenteham-
bolon'andro mangatsiaka
eto andoharano ritra


'Zao no ora fisalorana
ny akanjo izay navitran'
ny kofehy sy fanjaitra
'Zao no mora hisamborana
ny endrikao nadikan'ny
fitsikiny, nanaitra

'Zao no ora fangotrahan'
ny rano nafanaina
eto an'ivom-patantsika
Injay! izay no rora fandonahana
ny tenda efa maina
hamelomana ny hiaka

Fa ora fahafiry izao?...

(In Angola vaitra /1998)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1511 1
Hevitra mandeha
ILIMIMJIVISDI ( 01/02/2016 18:01)
Hafa mihitsy !
Tena Ankafiziko!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AJO
Nampiditra : daybreak
Daty : 25/03/2011 16:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101