TSY HO LENA IANAO (AJO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ho lena ianao,
toa ahy...
toa ahy, kotsan'orana an'alim-pahavaratra
mikotrokotrok'andro,
mikotrika masoandro
maraina vao hiposaka.
Tsy ho lena ianao, f'izah'
miandry rivotra hitosaka
hanamaina miandalana
ito lamba mialin'andro,
sitrany mba malamalana.

Tsy hangitsy ianao, f'izah'
izaho kosa mbola hamindro
eto amorom-patana eto;
handroaka ny hatsiaka
mety hitari-panaviana
anaty ora fatoriana...
saingy izaho, tsy hahita tory...
fa haheno ny horakorak'ireo tsy mangatsiaka
nandao ny morom-patany,
an'alim-pandihizana,
haheno ny fidobodoboky ny gadona mozika
nanafana irony vatany
tsy nahalala vizana.
................................
Saingy izaho,
tsy hahita tory,
sy tsy hahita anao akory...

(2003)
--------
Rohy:
Sokajy : manokana
1289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AJO
Nampiditra : daybreak
Daty : 07/05/2011 17:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138