HOLAZAIKO VE ? (AJO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Holazaiko ve fa
banga ora maromaro
ny tontolon'androko,
tsy nisy ny endrikao
madinidini-masonkoditra,
mandomando ranon'ando
nararaky ny habaka
tanaty tora-javon'ny
maraina maivan-doko;
De 'lay hodi-tavanao
tsy nila mangamanga,
tsy nila menamena,
tsy nisy maintimainty
nafotetaky ny loto,
fa kanto ho azy teny

Holazaiko ihany ve fa
banga ora maromaro
ny tsikonokonon'ny nahandroko,
tsy nisy volo lavanao
manimanitra ny fofon'ny
ilo-beromanitra
sy ny oliva mandimandina
nadofaky ny fifofofofon'ny
rivotra fifohako;
de 'lay vololavanao
tsy nila menamena
tsy nisy mavomavo
fa mbola maitso tsara

Holazaiko foana ve fa
banga ora maromaro
ny tonontonon'androko
tsy nisy rantsantananao
mavomavokely hoho
nitendry ny lokangako
arahan'ny feon'antsiva
sy ny amboarampeo mihira
anaty takariva
osaosa taratr'andro
mena faravodilanitra,
de 'lay rantsantananao
tsy nila menamena
tsy nisy fotsifotsy
fa de nandrotsirotsy
ny zaza nionda-nono

Eny e! Holazaiko ary fa
babangoana anao ny fiainako...
--------
Rohy:
1604 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AJO
Nampiditra : daybreak
Daty : 25/03/2011 18:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0181