EFA NISY - AJO
Azo vakiana?
Mba efa nisy sarisary
namboarintsika teny
nefa ange, tsy tonga volana;
efa nisy eritreritra
natamberintsika hankeny
nefa de nitonatonana.
Mba efa nisy nofinofy
voavaofy koa tety
saika hananika vovonana;
efa nisy fo nitempo
te hamorona fitia
nefa ange de...nianjonana.
Izay no sitraky ny fony,
lalina tokoany !...
(in Angola Vaitra 1998)
Sokajy :
Aingam-panahy
Mombamomba
Mpanoratra : AJO
Nampiditra : daybreakDaty : 14/05/2011
Mpamangy : 1069
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
DEMAINMYSTERE
L'ETRANGER
TSY HO LENA IANAO
HOLAZAIKO VE ?
TENY...
IANAO IHANY
ORA FAHAFIRY?
TSY TAFANDRY
HAFAHAFA