HAFAHAFA - AJO
Azo vakiana?
Toa manjary hafahafa
rehefa ts'isy anao mitafa
sy midinidinika amiko
dia ny hatsiaka sy fanala
vovoka sy tranonkala
no mameno ny efitranoko
Fa na dia 'lay hirahira
zary toa naniratsira
ny tontolon'androko
dia nanjary takon'ila
sady sahy namilafila
'lay mba hany taratr'androko
He! jereo ny zaridaina
feno zava-manan'aina
namboleko voninkazo
Efa zary karakaina
sady hatsatra sy maina
nitanondrika, nalazo
...............................
Amin'izao fotoana izao,
mety aiza ho aiza ianao?...
Mombamomba
Mpanoratra : AJO
Nampiditra : daybreakDaty : 16/02/2011
Mpamangy : 1129
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
EFA NISYDEMAIN
MYSTERE
L'ETRANGER
TSY HO LENA IANAO
HOLAZAIKO VE ?
TENY...
IANAO IHANY
ORA FAHAFIRY?
TSY TAFANDRY