Iny sento lalina iny. (aladin)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny sento lalina iny
Niserana, nandalo ihany
Kanefa soritr'irifiry
Nanindrona tam-poko tany

Iny sento lalina iny
Aza amaivaninao
Fa ny alaheloko novakiany
Naborany anatrehanao

Iny sento lalina iny
No mba solon-dranomaso
Izay tsy narotsako firy
Na nahery aza ireny ankaso

Iny sento lalina iny
Nandalo nefa tsy ho adino




R.R.T.A na aladin
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - Alahelo
2531 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : aladin
Nampiditra : aladin
Daty : 25/07/2004 19:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103