ILAY NIFANDAOZANAY ... - Alyrah
Azo vakiana?
ILAY NIFANDAOZANAY ...
Toa nihelina dia lasa,
'lay mba tsiky tato am-po
zava-poana ireo kinasa,
mora levona sy ho lo.
Lakan-kely anivon-drano
tsy nahaleo natopatopany,
farafara dibo-drano
fiainanao izay tapatapany.
Tomanin-jaza menavava
antsoantso hitady an-dreniny,
rotidrotika sy rava
rangolahy no nanatelina,
nofo izay nanitsy
fanahy sy aina tsy mba tao,
narodanao ilay tsy nitsitsy,
tsy nitsitsy fa nanao,
vato iray toa nangatsiaka
no nitoerany izay haizina,
fa tsy hiaraka amintsika
tsy handre intsony na mba fohazina.
Lalam-bÿ izay nifanohitra
nihotazana tsy feno,
ranomaso nefa ny onitra
nihatazana ny fery.
Na navalin'ny fotoana
tsiaro anao ange tsy mba resy,
fa toa velona eny foana,
fahoriana tsy mba fety.
ALYRAH (09/06/15)
Mombamomba
Mpanoratra : Alyrah
Nampiditra : AlyrahDaty : 09/06/2015
Mpamangy : 888
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
SETRIN'ILAY FITIAVAKOTSELATRA
TAMIN’NY ROA ORA TSY DISO
SILAKIN'NY AIKO
FITIAVANA IZANY
MALAGASY ...
FITIA TSY LEVONA
TANDINDONA TSY NIALA
TSY SAHY