You are here: home > Vetso

Misaotra anao ry Dada - anarim

Dada ô!

Noho ireo porofom-pitiavana,
Fandeferana, finiavana
Fikelezan'aina,
Tsy ho tambonay isaina
Natolotrao anay
Enina mianadahy...

Misaotra anao ry Dada !

Fa na làsana aza i Neny
Ka zary maizina ny tany
Tsy nataonao ireny
Handraraka ambany
Ny fitaizana anay
Tsy nisy nampanahy
Fa nitraka hatrany ianao
Nitsinjo anay ankizy
Ary hatramin'izao
Dia tsy mbola kivy...

Misaotra anao ry Dada !

Andriamanitra Tsitoha
Hitsinjo anao hatrany
Ka ho sambatra tokoa
Mandram-piala eto an-tany.

Sokajy : Fianakaviana

Hametraka hevitra

Midira aloha