MAFY ADY SY ADY MAFY (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY ADY SY ADY MAFY

indro 'lay rangahy, mitsangana tsy satry
ny tenany oriory, toa tsy nahita tory
ndeha hanao adidy ve? sa teren'ity fiainana
handao ilay tena tiana,antsoina hoe fandriana

tsy maneno akoho no indro fa nifoha
tsy nisakafo akory, nilanjalanja loha
fa kary misafelika, no tazany eny ho eny
sy olombitsy monja, mitandahatra manjeny

fa 'ndeha hamonjy asa ve? sa mbola vao hitady
nandao ny olon-tiany ireo zanaka sy vady.....
fa mafy ny fiainany, ady ihany koa
'zay mba itarainany, maneso avokoa

Ny mitatao vovonana, atoandro nanahary
lanaka ny vatany, ny sainy koa marary
fa tsisy hakana aina, na koa ipetrahana
fa ny asan'io tsy ataony, ho eo ambany akalana

tsy misy ny ianteherany, fa boboka 'lay andry
tsy tiany koa ny hoe : andeha handadilady
fa ny isan'androny ?? de tsy toy ny anao
fa ny asa tsy mijanona, no sampiny izao

fa mena ny masoandro, de miandry ireto ankizy
manontany hatrany hoe : nankaiza izay i dada
mangitaka ny fony, miandry ny ho trotroiny
fa ilay rainy torovana sy toro............

fa efa tapi-mandry, tsy mahita akory
ny zaza sasa-niandry, fa nopoizin-tory
'zany foana ny azy!!! no fiainany isan'andro
tsy mihaino intsony 'reo mpaneso mpanaraby.
--------
Rohy:
1732 1
Mpakafy: sayd.lemaitso
Hevitra mandeha
hjravs ( 02/04/2015 05:32)
hoy bouboul: tsy maintsy mandeha na tiana na tsy tiana
na ho fifaliana, na ho fahoriana,
lalana tsy maintsy hizorana ny manaiky ihany no atao, Mahereza e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148