FACEBOOK (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazako tsy nahy, tanaty facebook
‘zay nambabo ahy, ny tsikinao nitopy
Nalefako ny hafatro, mba ho namanao
Niandry dia niandry ny valiny aho izao.
Ny alina hatory tsy tafandry mandry
Any anaty nofiko any, toa miangavingavy

Ankehitriny kosa mpinamana isika
Hafaliana foana tsy misy disadisa

Fa tanaty facebook, no nahalalako anao
Ny tantaranao, ny zavatra natao
Tsy andriko ry lala, ny hafatrao ho ahy
Sy ny valiny alefako, mampisy aingam-panahy

Ny sary izay alefa, hitako eo no ho eo..
Asiako commentaire sy j’aime avy eo
Voatahiry ampoko ny sento sy toreo
Misononoka fitiavana dia faly ‘ndray avy eo

Tsy ho voatanisa ireo teny mamintsika
Voatsidika daholo hatrany amparadisa
Tena mahavariana sy mahavalalanina
Ny teknolojian’ny orange mandam

Ny tiko mbola ambara, tena marobe
Fa aleo angamba tohizana; anaty FB
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1797 3
Hevitra mandeha
hjravs ( 17/04/2015 08:32)
tena 'le revy @ 'zao mihintsy io a! Tafita ny hafatra e!
fenohasimpitia ( 17/04/2015 08:49)
Efa mitady ho b sentimaka ko nareo zany a! Merci less e!
endrika01 ( 17/04/2015 08:53)
kou manina zao raha natao hoe tato aminy namana serasera le FAcebook ngeh njainjay ka....
andry 1000 ( 18/04/2015 07:30)
ao fa asiantsika serasera ary e!!
endrika01 ( 27/04/2015 08:21)
Mankasitraka é!
andry 1000 ( 27/04/2015 08:44)
misaotra betsaka namana moa e!! hihihi...tiko be ny tonokalonao fa mbola ho valiako ny iray amin'ireo
zoana15 ( 19/05/2015 14:25)
mahafinaritra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148