FISAORANA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FISAORANA
Misaotra anao aho ry raiko tsy toha
Ilay tena tiako sy maminy fo
Fisaorana feno no atolotro ho anao
Fa ny fiainako ho anao, eny ho anao

Fisaorana feno, tena amin’ny fo
R’ilay andriamanitra raiko tsitoha
Ny fitiavanao no naha toy izao
Ka isaorako anao izao anio izao

Ianao no anankinako ny fiainako ho avy
Sy izay rehetra tsy ho voatanisa
Isaorako anao izao sahady
Fa ho tanteraka hatraminy tsy mbola ho hita

Ianao le Andriamanitra be indrafo
Mamela heloka isan’andro ihany koa
Ianao ny fiainako maminy foko
Itarainako..eny sy hitalahoako

Ny otako rehetra ry tompo ô! avelao
Fa tena onena ity zanakao
Diovy ny saiko ny fo, sy fanahy
Fa ianao andriamanitra tsy mba mandao

Isaorako ny avo, ilay tompo mahery
Ilay mpamonjy ny ondry izay very
Fa dera sy laza voninahitra koa
Ho anao irery ihany ry TOMPO TSITOHA


ANDRY1000
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
2293 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138