FITIA VOARARA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA VOARARA

fitiavana voarara,
ny antsika roa,
kanefa samy tia,
sy tsy mifankafoy,

fa teny iray monja,
no nandoro zany trano,
ho afo mijoala,
ka zary tsy hay vonoina,

nandoro mahamay,
nandrehitra ny vanja,
ka nampipoaka mintsy,
ny ati-fo, fanahy,
vatana sy saina.....

fa alevina manangatra,
totofana mipongatra,
toy ny amboa romotra,
aminy andro maizimbolana,
vao mahita dia mandrapaka,

fa fitia voarara,
tanaty rindrim-bato,
tsy ahitana akory,
izay lalan-kivoahana,
fa vavahady rindrina,
tsy azo anoharana....
ka tena fefy vita
tsy azontsika ihoarana,

(andry 1000) ANDRIAMASIMANANA Andry
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/andry-1000/fitia-voarara
3400 3
Hevitra mandeha
ragotso ( 21/10/2015 16:57)
tena milay koa iz zany ry Andry a! tohizo fa tsara e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2476