GALONA NOTOLORANA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BAN KI MOON

samboady nisalorana,
sy galona notolorana,
fa nahavita noho ny tena,
kanefa hafa firenena...

ora vitsy nandalovany,
dia hoe voavaha ny olana,
kanefa kosa raha jerena,
dia mahantra mihitsy,
ary tena mahonena,
ianao ry firenena...

tantaraiko fa tsy haritro,
ary tena tsy ho tantiko,
raha toa tsy hanambara,

....izay tokony mihintsy,
ho raketina tantara...

fa mijaly loatra re!!!
ny olonao ry gasikara,
fa vahoaka sesehena,
no mitoreo mahonena,
tsy mba misy mihaino akory,
ireto olona ambony...
--------
Rohy:
1227 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111