ILAY RAMATOA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazako izy omaly
Nihazakaza-dava
Ny ranomasony io
Nijohy lalandava

Fa toa varimbariny
Sy somary fanina
Natsoina tsy niherika
Kanefa ny andro merika

variana ny tontolo
fa ilay ramatoa
toa nisarita-bolo
sy ringo-boron-damba

kanefa koa re
toy ny notapenam-bava
fa izy iny nie
de olo-nihaja be

tsara sitra-po
mpanampy ireo zay ory
ankehitriny kosa
toa lasa oriory

lasa teo ny saiko
lasa ny ambiroa
adala ve hoy aho
sa hendry ihany koa

aleoko tsy niteny
fa nisaina am-po
fa naninona loatra re
iny ramatoa.???

hay tsy zany loatra
fa lasa any ankoatra
ilay mba hany tokany
tiany teto an-tany...

ny vavaka ataoko
de mba ny hifankahitany
rehefa any ankoatra
ilay menaky ny ainy
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - fiainana
886 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148