LASA ILAY MALALA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vahotra ny tanako, gina aho sady sina
Fa androany vao maraina….
Be no nitaraina, fa lasa ilay malala
Tsy hay hoe, ho aiza angaha

Banga ilay toerana tsy ho eo intsony izy
Nefa izao no teniko aza mora kivy

fa ny tompo lehibe no naha toy izao
mionona re!! isika rehetra izao
fa fiadanambe no iainany any ho any
ho tapitra hatreo ny azy ny sento sy tomany

tretrika ny fony ravo zany sainy
miaraka aminy tompo any an-danitra any

Mangataka aho ry raiko ô!
Mifona ihany koa, mba avelao re!
Ny fahotany rehetra, fa mba raiso izy
Hitoetra anilanao!! de ho tanteraka tokoa
Ilay teny mamy hoe : RAY MPAMINDRA FO
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana
1211 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138