'LAY TANANAKO (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY TANANAKO

Ilay tananako iny tsarovako mazana
Aty an-tany lavitra aho, tena tsy tamana
Ny saiko toa manembona, ilay tananako iny
Ny foko tsy mitombina, mahatsiaro ny fahiny

Ny fahiniko va re ?? no ho tantaraiko anao
Tiko sady mamiko, tsy mba mankalao
Fa any GASIKARA, ilay firenena soa
No misy ‘lay tananako, mamiko tokoa

Veloma mampamangy ry tananako iny
Tsy maintsy ho teneniko fa fahatsiarovana iny
Veloma GASIKARA tanindrazako iny
Fa mbola hiverina aho tsy ho mpivahiny
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana
1073 0
Hevitra mandeha
hjravs ( 26/03/2015 06:23)
Hafa ihany ny any an-tanàna lesy akamako a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138