MIARAMILA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vahoaka sesehena,
hitsahina hosena
Zay mba mitaky,
fahafahana ao anaty
Ny tafika amintsika,
fitaova-politika
Fitaovana enti-miady,
ho an’i sarimbavy
Fa vao misahotaka,
mitady ny hirotaka
De indreo fa mivory,
hanao ‘zay mampahory
ireo miaramila gasy
miantrana aminy basy
baoty sy kalach

Fa zanak’iza moa, ireo miaramila ireo?
No mamonomono,
sy mapihorohoro
an'ireo manandra-peo

Ny basy no avoaka,
de ny baomba koa apoaka
amin’ity vahoaka
‘zay tsy manantsiny,
toy ny mpivahiny.

Fa iza ihany koa no mamelona ireo?
moa ve tsy ity vahoaka mijaly, mitoreo?
fatorana, gejaina
enjehina, gadraina
mitady fahafahana,
nefa toa lamahana
dradraina lava izao
ny aminy tanindrazana
fa masina sy tò,
ka mila hasoavina....


Aleoko aloha mangina
tsy miseho manandram-peo,
hitsoaka aho,fa ahiako
hisambotra ireo!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Politika - Fitiavana
1245 1
Mpakafy: hjravs
Hevitra mandeha
hjravs ( 23/04/2015 08:12)
Tsy ny miaramila ihany lehiroa fa ny pôlisy sy ny zandary koa no tena manotra, mampanopa sy mampiantso tody mihintsy, mahay ka! tonga dia isa 5!
fenohasimpitia ( 23/04/2015 08:32)
Sahaza ho an'ny foloalindahy mits zany vetsovetsonareo zany a! @zay ry lerony tonga saina tsara! Mety tsara le iz ka!
johny15 ( 25/04/2015 06:23)
Tsara e!
johny15 ( 25/04/2015 06:23)
Tsara e!
andry 1000 ( 25/04/2015 06:37)
(y)
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115