NY FEONAO (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FEONAO


ny feonao ry olon-tiana no mozika tsara indrindra
gadona voajanahary, tsara tefy, tsara rindra
zany angolangolanao, mahababo avy hatrany
tsy mety lefy vetivety fa re manako any ho any

ny feonao milamindamina, maharenoka fitia
na tsy hita aza ianao dia toy ny miantso hoe avia
ny feonao manambitamby, mahavelombelom-bolo
tsy hay fehezina hatraiza fa maharakotra tontolo

ny feonao mandrotsirotsy na atoandro na ny alina
mampangoritsina mihitsy, mampanofinofy lalina
feo tsy manana sahala, feo tokana aman-tany
ny mozika tiako ho henoina dia ny feonao ihany


(fb andriamasimana andry : groupe sombin-tantara sy tononkalo)
--------
Rohy:
1549 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095