NY HIRANTSIKA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANDAO ISIKA HIARAKA HIHIRA, NY HIRANY FITIAVANA


ity hirako ity, vetsoiko ho anao
kaloiko izy mba... handrotsirotsy anao
raha sendra lavitra, tsy takatry ny masoko
rivotra io indramiko, hikalo ho anao ny vazoko

fa ao aoriana kely de ho lasa hiranao
'ty hirako 'ty hitondra aina vao
hitety tany maro, sy izao tontolo izao
ka tsy ho afaka intsony ao ambavanao

raha toa mahatsiaro ahy, sy ny hirako ianao
de raiso ny gitara, de venteso sy hirao
fa ny hirako io, ho lasa hirantsika
hampitambatra fitia, fitia tsy mety ho ritra
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1107 0
Hevitra mandeha
danada ( 31/03/2015 18:00)
Tena tsara sy kanto leroa
andry 1000 ( 01/04/2015 07:38)
misaotra betsaka an'i danada e! mbola tsy matihanina fa miezaka ny mamoaka ny ao am-po
hjravs ( 01/04/2015 08:04)
miainga izy 'zany a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015