You are here: home > Vetso

TSIARO SISA IRENY - ANDRIAMASIMANANA Andry

Azo vakiana?

TSIARO SISA IRENY


fahatsiarovna ato anaty,
tsy ho adino mandra-maty,
izay niainantsika roa,
nampangotika ny fo,

iny lalana nizorana,
tena feno fahatsiarovana,
rotsaka ny ranomaso,
rehefa irery mahatsiaro,

ny nahitako anao tamin'iny,
no nampiova ny tontolo,
na rivo-mafy izay mifofo,
oram-be mampisafoto,

dia mbola teo izaho sy ianao,
malaina mihintsy ny hifandao,

indrindra refa fifaliana,
dia io fa sarotra idifiana,
ilay lalana nizorantsika,
tena be mpitsiriritra,


f'izany rehetra  rehetra izany,
dia fahatsiarovana ihany,
ka tsy ho levona intsony,

f'ianao io mihintsy,
no efa anjara sy safidy,
ka voaraikitra tam-pony,
ho voninkazo nokoloiny,

Hevitra mandeha

hjravs (02/06/2015 12:19:33)

izy koa ve any
mba mahatsiaro ihany
sa efa very dia
nanadino lay fitia.
enga anie ho sanatria.
tiako le aingampanahin ao ryakamako

andry 1000 (08/06/2015 04:14:45)

hihi! ny lasa tsy niverina intsony e! fa dia naratra ny fony, hiran'i samoela io

arisoacool (10/06/2015 16:51:37)

tiko le tononkalo, manorata ian, manorata atrany. aza reraka, toizo fa tsara ho an zanak amam-para.