TSY AVELANY HANORATRA (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry aingam-panahy ô!!
Midina ato anatiko ,
fa manelingelina mila tsy ho tantiko,
manainga ny foko,
toloko tomany,
ny hitany masoko,
‘zay niserana ihany
Midina ato anatiko e,
midina hindramiko,
mba hanoratako ireo tsiahy,
fa mila ho vaky hitroatra ny foko
koa faingana midina,
re ry aingam-panahy…..
fa mavesatra loatra ny rahona ambony,
misamboaravoara ny foko tsy tony,
koa tongava mihintsy, mitoera ato anatiko
Fa……. pôeta mahantra, tsy mba falifaly
tsy avela hanoratra, ka tena mjaly
--------
Rohy:
983 1
Mpakafy: andry 1000
Hevitra mandeha
hjravs ( 12/05/2015 07:19)
na efa miainga hoatr'zany aza ve dia mbola kiahana ihany e! mahafinaritra e!
zoana15 ( 19/05/2015 14:16)
mankasitraka ranadahy a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145