VISA A (ANDRIAMASIMANANA Andry)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Bisous kely a! bisous kely!
Nihevitra angamba ianao hoe anjely
Ka hanadala an’ireo boaikely
Amin’ity zavatra hatao an-tery

Bisous kely tsisy farany intsony
Ka hatrany ambany eny hatraminy ambony
Tsy matiko lolo, tsy matiko lolo
Ty masonao toa vorondolo

Tsy visa B, na koa visa C
Fa hatramin’ny tanana, lela mandeha
Misokatra ho azy ny elakela…
Misefosefo ny fiainana re !!

Miala tsiny amin’ity tononkalo
Fa zava-misy tsy misy fangaro
No tantaraina ho an’ny rehetra
Manaova sonia raha toa ka hitoetra

Faranako hatreto aloha ny amin’io
Fa misy kiriko ary miteny hoe ipitsiho
Fa ny tena marina tsy azo ialana
Dia taperina hatreto aloha ny tantara
--------
Rohy:
1002 0
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 21/04/2015 07:44)
ialana tsiny raha mahatohina ny sasany le tononkaloko VISA A ity fa zavatra tena misy io a!
hjravs ( 21/04/2015 07:49)
tsisy tsiny, namana, aleo lazaina ihany 'zay tsy zaka e...
fenohasimpitia ( 21/04/2015 08:02)
Sô de salé lôtra zany andry-1000 a! lé oe h@tanana, lela mandé.....!
andry 1000 ( 21/04/2015 08:13)
de efa nialana tsiny mialoha e!! azafady r'ingahy raha nahatohina a! hi3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148