HIHIRA AHO HO ANAO - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
HIHIRA AHO HO ANAO
Hihira aho ny amin'ny omaly,
Ny omaly tsy mba fanadino ;
Ny fitiavan-tsika nifamaly,
Nandeha tsara tsy nampino.
Hihira aho ny amin'ny anio,
Ny anio tsy ho latsa-danja,
Ho voatahiry, ho voarakitr'io,
Ka tsy mety ho lany manja.
Hihira aho ho an'ny ampitso,
Ny ampitso hisy zava-maro ;
Na iray, telo, dimy, io na fito,
Tsy misy ahiana, fa fantaro.
Hihira aho ho an'ny ho avy,
Ny ho avy tsy manam-petra ;
Ho salama ny mpianakavy,
Ho fifalian'ny olona rehetra.
Hihira aho, hihira ho anao,
Ianao, ilay andefimandriko ;
Hatramin'izay, hatramin'izao,
Hany tokako sy voatandriko.
Hihira aho amin'ny feoko gara ;
Hihira hanako hatrany an-danitra.
Hihira, ary ezahako ny ho tsara ;
Hihira, hidera an'Andriamanitra.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
13 Janoary 2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 13/01/2020
Mpamangy : 663
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
HOY IANAOMILA TONGA SAINA
MANINONA HOY AHO
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
TSIARO AN'I NENY
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY