MIBANJINA NY HO AVY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
ikalamako
MIBANJINA NY HO AVY
Am-polo taona maro no niarahan-tsika,
andao hitsofana mozika.
Hankalazaina izany fotoana mamy izany,
dia ny mbola eto an-tany.
Tsy toko tsy forohana ny zavatra niseho,
nampiakatra ny feo.
Tsy hita ho tanisaina koa ny zava-tsoa,
naha tretrika tokoa.
Efa vita ny adidy maro amin'ireo zanaka,
ao ny manana taranaka.
Eritreretina amin'izay ny tontolon-tsika,
efa ela no nibitsika.
Andao handeha hitety an'izao tontolo izao,
hitotorebika hilalao.
Isika ihany io, tsisy mpanembatsembana,
mandry fahalemana.
Tsara hamafisina ny fifankatiavan-tsika,
tsy ho tratran'ny hatsiaka.
Hatao mihoatra lavitra ny avo zato heny,
eny rehetra eny.
Hiaraka, hifanjoy, hifampitantana eny foana,
Ambara-pahatongan'ny fotoana.
Ho an'ny miankandrefam-baravarana rehetra,
Ka aina no fetra.
Tsy hadino ny misaotra an'ny Ray Tsitoha,
isaky ny mifoha.
Satria tsy ho tanteraka izany rehetra izany,
raha tsy avy aminy irery ihany.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
26 Aogositra 2022
Hevitra mandeha
s19andry5851 (17/09/2022 16:00:22)
Misaotra be dia be ho an'izay nampiditra ny feo, mirary soa, ho tahian'ny Tompo !
ikalamako (21/09/2022 19:10:48)
Mombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 26/08/2022
Mpamangy : 350
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
HO FIRENENA SANGANYLALAN-TSAROTRY NY FIAINANA
INY TSIKINAO INY
HIARAKA ISIKA HISIDINA ANY HO ANY
SAINTSAINO KELY FA ...
NANKAIZA HONO NY OLON-TETY
FITOPOLO TAONA ANDROANY
ZOKY SY ZANDRY
DADABE SY NENIBE
HOY IANAO