TSIARO AN'I NENY - Rasamindrakotroka Andry Tiana
Azo vakiana?
TSIARO AN'I NENY
I Neny, ilay hany nitondra,
Sivy volana tao an-kibo ;
Ilay niankin-drindrina irery,
No tsaroana ankehitriny,
Mitamberina ao an-tsaina.
Sarobidy noho ny diamondra,
Anaty "raoby" nisy fehikibo,
Moa ve tsy toy ny anjely ;
Maotina tsy nanan-tsiny,
Anefa tena naranin-tsaina.
I Neny, ilay hany nikolokolo.
Nijery ny rehetra nahasoa ;
Nitotototo sy nihazakazaka,
Nianatsimo sy nianavaratra,
Na an-tsaha, na an-tànana.
Tena voakarakarany daholo,
Na ireo Koto, na ireo Soa ;
Tsy mba nisy voavakavaka,
Mba ho tratra ilay filamatra,
Tokantrano soa, toa Kanana.
I Neny, ilay hany tsy hadino,
Fa mba ho tsaroana foana,
Any amin'ny misy azy any.
Lasa lavitra ampitan'ny ony ;
Any amin'ny tsy taza-maso.
Ny olona tia anefa mino,
Fa mbola ho avy ny fotoana,
Hiverenana amin'ny tany,
Ary hihaonana any ambony,
Ka tapitra eo ny ranomaso.
RASAMINDRAKOTROKA Andry Tiana
01 Jona 2020
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Rasamindrakotroka Andry Tiana

Nampiditra : s19andry5851
Daty : 09/06/2020
Mpamangy : 584
Mankafy : 6
Tononkalo hafa
HOY IANAOMILA TONGA SAINA
MANINONA HOY AHO
NY RARINY SY NY HITSINY
EMBONA AN’I DADA
MIEZAHA AMIN'NY HERIN'NY TENA
ILAY MBA FAHAIZANA KELY
ANDROM-PAHANTERANA
NY RAY SY NY RENY
HIHIRA AHO HO ANAO