alina (anjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny sasak'alin'ny zoma
no fanembonako azy
amin'izay aho manko no mba sahy
sady koa ny vavako miteny ho azy

fotoana mamy natokako ho azy irery
ho an'ilay malala, itantarako ireo tsiaro
fotoana mamy, tsy ho adino velively
no ilazako azy fa mahasaropiaro

io alina io mantsy, dia alina sarobidy
alina mamy, ary natao ho tadidy
alina tsy hay tantaraina
alina tsy mba nisy taraina!

alina, mars 2017
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
760 1
Mpakafy: anjy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anjy
Nampiditra : anjy
Daty : 06/04/2017 07:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017