zandry, (anjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
zandry

toa rano mikoriana
ambony vatolampy,
ny anatra atao aminao
hany ka variana
hila tsy hatanty
ireto zandrinao

fa zary henoinao fotsiny
ity reny efa osa
mba manoro sy mananatra
jereo ity molony efa kotsa, ny rora
mila tsy hajery ny zanany tsy mianatra

zandry ah, neny anie ka olona malemy
mahita anao mivily amin'ny lalana tsy izy
mikipy aok'izany, fa hila tsy hateny
ny ditra izay tsy izy, ataonao amin'izy ireny

anjy,
nov-2016
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
866 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anjy
Nampiditra : anjy
Daty : 08/11/2016 15:13
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013