mimi, solon'anarana (anjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
mimi, no iantsoako azy
solon'anaran'io mazava ho azy
tsy hoe ataoko kilalao sanatria
fa ho tiaviko ho doria

omeko azy avokoa
izay rehetra aty amiko
hajaiko, hataoko toa
alaiko tsy hindramiko
amin'ireo ray sy reniny
hokoloiko, ho mamiko
dia tsy asiako nenina

satry fona ahita ny endrikao
eny akia, tena babo matoa mirediredy toy izao
koa aza dia imehezana, fa ny foko tia anao

mimi, solon'anarana
anjy -2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
927 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anjy
Nampiditra : anjy
Daty : 12/11/2016 06:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0174