Neny (anjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Neny,
Sarobidy tokoa raha ny fitiavan’izy ireny
Eny tena fatratra ary tsy manampaharoa
Saingy malemy fanahy sady mora fo,
Ka isika no indraindra no minia tsy te halala
Izay hahasoa antsika amin’ny fisainan’izy ireny

Ny Reny no mampelombelon’aina
Mpankahery raha sendra ny taraina
Mpamatsy aina vao ho an’ireo
Tsy sendran’ny zoto; ka manjary toa malaina

Neny,
Toa hafa zany anilanao,
Eny fa na dia eo aza I Dada
Dia tsapa toa banga raha vao tsy mahare ny feonao

Mbola sambatra ary isika zay mbola manana azy Reny
Vonona ny hanolokolo sy hanoro
Hananatra sy hiteny
Koa tahio ry Ray, ity Reninay!
Hahatontosa ny adidy aminy napetrakao

Eny, mivavaka ihany koa izahay
Mba tsy handray na hanao hala-safay
Ireto teny, sy anatra avy aminy nolazainao

Ampio ihany koa
Hahay ampita ny soa sy ny tsara
Izay omeny noho ny sitrakao
Ka hizara tsy ankisalasala
Ireo fitia omenao!

Anjy
13-05-2017
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
886 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anjy
Nampiditra : anjy
Daty : 13/05/2017 12:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096