ny alina mangina (anjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ny alina mangina, no mba fanembonany anao
anaty haizana mangina, no hanoratany izao
tononkiran'ity ventso tsisy farany.
hany fahatsiarovany, ny indray andro hitambarany.

ny alina mangina mantsy no mba fieritreritra
ny zava-bita hatry ny andro, tsy voafetra
saingy mahatonga aretim-po, refa diso tafalatsaka ao anaty
ny fisainan'ity fo, izay nitia ka tsy nahatanty

eny, ny alina mangina mantsy no mb fanofisana
ireo vinavina, izay nomena hitokisana
saingy, toa zary lasa adino, refa injay mifoha
fa mifamaofao tsy mampino, ao anaty ilay ratra tao am-po.

eh, ny alina mangina anie no mba faniriana
izay ampitso mba ho tena paradisa
saingy ilay nofy vinavina,
ne ka fitaka mandiso

tao anaty diary
aogositra 2016
anjy.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2246 1
Mpakafy: anjy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anjy
Nampiditra : anjy
Daty : 08/11/2016 10:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153