zany sentoko (anjy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
zany sentoko

nosoratako ity diary, hirakitra tantara iray ho anao
tsy sanatria haseho hibaribary ity fiainako miaraka aminao.
fa ny hany tiako hambara, dia efa fantatrao hatry ny ela.
dia te hanoratra tantara anaty diary tsy tontan'ny ela

iriko tsy misy toy izany, zany hoe mba: ho tiavinao
eny, ekeko ko na izany, aza izay safidinao
tsy hanery anao aho sanatria, hitia!
fa safidy io, voady ho doria

nefa koa rahavako, mba jereo ity foko mitalao
eny tena tsapako fa tsy kilalao
ilay fitiavana resahiko sy atolotro ho anao

misaotra sombiniaiko, niaino ity toloko
marary mantsy ny aiko, marary koa ny foko
manoratra ho anao, izany sentoko.

anjy
nov-2016
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
933 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : anjy
Nampiditra : anjy
Daty : 08/11/2016 10:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01