You are here: home > Vetso

Sambatra - ANL MIKALO

Azo vakiana?

Sambatra ianareo roa
Izay mifankatia ho doria
Tretrika sy ravo tokoa
Ny hisaraka dia sanatria
.
Miray fo,miray saina
Mifampatoky raha ilaina
Mifanampy raha ilaina
Tsy izany ve no sahaza?
.
Mahasarika ireo mpankahala
Nefa mifanaraka hatrany
Miaraka ianareo tsy misalasala
Ny tarigetra mitohy ihany
.
Sambatra ianareo mifanampy
Fa mifanohana tsy lavo
Fa tsy misy manana ny ampy
Na mifanivana na mifandavo
.
Mahay mahay mifampitsinjo ianareo
Mahay mifameno avokoa
Tsy misy mankaleo
Fa mifankatia nareo roa
.
Sambatra ianareo roa
Mifankatia sy mifanampy
Fa samy miray fo
Mitambatra toy ny vatolampy

Sokajy : Fifaliana, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha