FARATSIHO (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tazanina avy lavitra lay Faratsiho izay
Miloko maintso mavana ny voly sy ny hay
Dia misary tohatra mandravaka ny havoana
Reto tanimbary maro, mirafitra miantoana

Fa Faratsiho Fileovana, mandrafitra an’Ankaratra
Mizara toko sivy, mamokatra avokoa
Ka maro no mandray ho kaominina “fitaratra”
Reo toerana lalovana, toa mampiraiki-po

Ny mponina ao indray, tantsaha no ankamaroany
Mamboly sy miompy, dia miasa tsy tolorana
fa malagasy maro, misitraka ny soany
dia mifandray tsy tapaka toa misy ifamatorana

Raha Faratsiho no resaka, dia aoka ho fantarina
Fa lalan-dra mamelona raiketin’ny tantara
Fa manana olo-manga izay afaka manarina
Sy tena hampandroso an’I Madagasikara

AORN
06 JANOARY 2012
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
42 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 23/04/2024 13:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0152