JIRAMATY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha tapaka ny jiro
tsy ahoany akory izany
fa aleony ho maizina any
F’izay mba hani-masaka
Am-bata mangatsiaka
Masiso tsisy fika
Ilay sakafo amidy
Mba mihodina ho vola
Dia simba kolakola
Tsy hamakiany loha
Zay potika dia potika
No sady rotidrotika

Raha tapaka ny rano
Tsy raharahiany koa
F’ianao no tena voa
Dia lamba tsy misasa
No entinao mandeha
Mankeny an-dalam-be
Fa na ny andrahoana
Tsy masaka mihitsy
Ka aleo mitsitsitsitsy
Tsy maintsy mba mividy
Sakafo ambifotsy
Na dia tsy mahavoky

F’ity no tena loza
Rehefa miara-tapaka
Ny jiro sy rano
Dia valaka avy hatrany
Ny ankamaroan’ny olona
Ka dia mahita angano
Ny fanjakana moa
Tsy miditra amzany
Raha misy manontany
Fa izy manam-bola
Dia manan safidy
Ny akora lafo vidy

AORN
13 OKTOBRA 2023
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
12 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 20/09/2024 11:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144