NOFINOFY (AORN)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko ihany tsy ho ambara
Lay fitiavako mitsiry
Sy mitempo anao ry tiako
Fa ny sarisary an-tsaiko
Mifamihina aminao
D’efa zary fifaliako

Satriko ihany tsy hamboraka
lay teny roa zay manandanja
zay tsy sahiko tenenina
Koboniko ato foana aloha
Mba hitombo lanja hatrany
ka ezahiko hafenina

Satriko ihany ho nofinofy
Izaho sy ianao hiara-droa
Ho eny ambony alitara
Saingy mamy noho ny mamy
Raha raiketiko ato am-poko
Ka foroniko ho tantara

AORN
06 SEPTAMBRA 2024
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
87 1
Mpakafy: rina15
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : AORN
Nampiditra : rina15
Daty : 06/09/2024 06:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887