tsy poety aho (Ari Ira)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
....dia nijoro ho fahavaloko ilay mpamaky nanantena
ny hahita zavatra hafa tao amin'ilay novolena,
ka indro izaho fa nohampangainy;
nororàny sy nompainy.

Dia ny tononkaloko ihany no natsangany hamely ahy,
ka avy izy dia nihiaka mafy hoe poety bado ialahy...
tsy poety akory fa mpanoratsora-poana;
tononkalo tsy izy, tononkalo moana!!!

Fa ialahy miseho ho poety, hoy izy, nefa tsy izy
izay mba poezin'ialahy? Ady riman'ny ankizy
sarisarin-drediredy, fehezan-tenin' hadalàna.

Tsy ho poety mihitsy ialahy, hoy ihany izy, niha-krizy
ny anjara asan'ny mpanoratra tsy kilalaon'ny ankizy
fa asa matotra sy sarotra, satria andry iankinan'ny tanàna...
--------
Rohy:
Sokajy : Mpanoratra
1481 2
Hevitra mandeha
ragasyh ( 22/11/2014 06:41)
Ankafiziko e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109