Nofy sisa (Arisons)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofy sisa.
-Indrisy aty afara toa vetso sisa.
-Ilay hany mba nofisiko ho paradisa.
-Mba nantenaiko ho lafatra.
-Kinanjo toa tsy takatra.

*Nofy sisa izany ankehitriny.
*Noho azoko antenaina aminao iny.
*Satria izaho sy anao efa rohy samihafa.
*Ianao koa tsy inona fa niova saha hafa.

-Eny, na dia marary aza misaina izany.
-Dia iafiako satria izay no anjara.
-Hoe mbola ho foàna anie tomany.
-Ary ny lasa koa mbola ho tantara.

*Ka ny azoko atao sisa dia mangina.
*Mampionina ny foko na marary aza iafina.
*Na dia diso faniriana ny anilanao ho paradisa.
*Ka nefa izany aty afara toa tsiaro aleo hijanona ho "NOFY SISA".

Mbola hitraka foana....✍️
Arison, 19-07-2025
--------
Lien:
80 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117