Tsy misy lohan-teny - BANGOTOKANA
Azo vakiana?
O ry lasako iny e ! Moa va ianao hiverina
Hanitsy ireo fahiny, Ilay naha kivy nampanenina
Ilay noheverina ho kanto, ilay nibitahako sahady
Nefa indrisy , kinanjo, nitondra jaly tsy resin’ady
Niontana aok’izany, izany fony , teo am-boalohany
F’izay vao ho tojo mamy, ireo ihany no tao an-dohany
Nefa tampoka , indrisy, fa nivadika ny rasa
Fijaliana no nikiky, nandrotika sy nandratra
Fa diso kajy diso tetika, ilay fitiavany nanjombona
Fa tafa paka tafa lentika, ary koa tsy tafa tombona
Asakasakao r’ilay diamondrany, fa ianao ihany no nantenainy
Ilay mba tiny hiambozonany,ho sila panahy , sakaizany
Sokajy :
embona
Mombamomba
Mpanoratra : BANGOTOKANA

Nampiditra : bangotokana
Daty : 20/11/2013
Mpamangy : 918
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
VONONATANTARA TSY VOAFAFA
ORANA
TSIAHY
NY FITIA
LASY IRAY
VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO