You are here: home > Vetso

VONONA - BANGOTOKANA

Azo vakiana?

         Vonona foana aho hanaja ny tiako
         Hamafa ny fery izay niaraha-manana
         ‘lay hany lalaiko,kasaiko sy iriko
          Dia ny haneho ny hery sy halalim-pitiavana
Vononona foana hanaja anao
Na inon-kidona na inon-kihatra
Efa ho rava ny fefy manombok’izao
Ny  fitiavako anao aza efa tsy ombi-tratra
           Vonona  foana hanaja ny toky
           Izay miaina mangina ao  anatin’ny foko
           Na be mpanakiana sy  mpamofitsofy
           Dia lefero mangina aza arahi-toloko
Vonona foana aho hanaja ny voady
Teny ambony alitara sy hany mamatotra
Ny hany tokana maha-mpivady
Dia fitia tena izy,fitiavana matotra

Sokajy : Fitiavana

Mombamomba

Mpanoratra : BANGOTOKANA


Nampiditra : Bangotokana
Daty : 23/05/2013
Mpamangy : 997
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tsy misy lohan-teny
TANTARA TSY VOAFAFA
ORANA
TSIAHY
NY FITIA
LASY IRAY
VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO