ORANA (BANGOTOKANA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô ry orana ao ambony, moa va mba fantatrao?Fa ny feonao no mpampitony, ireo alahelo anatiko ao
Ilay ianao misosa mora, mandrakotra ny tafo.
No mpankahery ty foko tola, ilay nilaozan-tsafosafo
Toa hainao tsara, ny mihaino ny alaheloko
Tsy mpandiso tsy mpitsara, Tsy mpitanisa zato heloko
Oviana ngaha ianao, no hiverina eto ndray
Hitondra teny vao, sy teny mamy mampiray
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo