NY FITIA - BANGOTOKANA
Azo vakiana?
NY FITIA
Raha fahavalo ny fitia, nialako lavitra mihitsy
Tsy navela hiriria , novonoako tsy akitsitsy
Fa tsy mba toy izany akory, tsy arak’izay nam-pozina
Fa mandrendrika toa tory, tory maso zary poizina ,
Mahay mamitaka ny fo, zary malemilemy toetra
Raha vao babony ao de voa ,voafahirano sy amboletra
Ampitafiany ranomaso,hirifiry tsy hay ialana
Aretim-po mitafotafo,aretin-doza igagana
Ka ananarako izay tsy ao,hajam-bao aloha ny fo
Andotsiro sy ialao, idifio lavitra tokoa
Fa iriana maha ory, toa harena mitafotafo
Tsy ahitan-tory, fa mandoro toy ny afo
Aimé Rolland ANDRIAMASINAVALONA
Sokajy :
Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : BANGOTOKANA

Nampiditra : BANGOTOKANA
Daty : 02/08/2012
Mpamangy : 2160
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tsy misy lohan-tenyVONONA
TANTARA TSY VOAFAFA
ORANA
TSIAHY
LASY IRAY
VAVAKA HO AN'I OLON-TIAKO