akom-panahy (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny ianao fa hitako mamaky ny abakabaka fa tsy azoko antso indrisy!
Mba satriko ho ato anatiko fa miserana dia dify,
Toa mainka lasana any, mandositra ny tany,
Tsy mihevitry ny ankoatra ny hisitaka ahy hatrany.

Indrindra moa fa miainga, dia lasan-davitra any,
Mahita teny kanto izay ampy hampitomany
Ianao ry ilay fanahiko izay miainga avy ato anatiko,
Ny teny hitanao: nanjary tena mamiko.

Ny asanao ry mamiko: mandrotsirotsy ny olona raha sendra sorisory,
Mitady teny mamy tsy hahasosotra azy akory;
F’ianao ry ilay fanahiko raha miainga tsy azo Tànana,
Manan-kery miafina mandravom-pihavanana.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
861 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 09/12/2014 13:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141