ataoko fantany (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko mafy hamakivaky ny sain’ny tsy mihantra,
Ny soratro, mirakotra teny tsara ho fantatra,
Sao mba hiova ‘zato fony ka hitsinjo ny mahantra,
Hiteraka fitiavana toy ny oram-pahavaratra.


Ataoko hofantatr’olona mpiavona f’izao:
Ny lalana nodiavin’ny mahantra ireny anie,
Ka lalana tsy mora, f’izao tontolo izao,
No mandrabiraby an’azy amin’ny tanjona aleha.

Ataoko hofantany fa olona ireny,
Mba ho aiza moa no alehany raha toa tsy misy handray?
Ny fony anie tsy vato fa nofo ka malemy,
Mba mety haratra ihany ny fon’ireny kay!

Moa tsy fantany fa olom-belona iny?
Olona ohatr’azy samy tsisy tompo-tany,
Fa fotsiny, mpadalo mpivahiny,
Natao mba hiara-hifaly sy hiomobona tomany.
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana
1039 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 12/04/2014 19:15
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099