ilay nofinofiko alina (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay nofy mamiko alina izay nitondrako anao
tanaty fahasambarana;
fitiavan'anjely tsy hanampitsaharana.
ny teo ankaikinao.

fitiavan-tena sambatra nanadinoiko tany,
heveriko any an-danitra,
fa mifankatia ka mirana finaritra;
kinanjo nofy ihany.

ny teny mamy maro naborako hoe:"tia",
nankasitrahanao,
dia faly anie ny foko fa hay nisy ahy ny tao anatinao
kay tanaty nofy tsy ho velona ho doria.

maloka amiko ny tany fa hay ny antsika alina,
nofinofiko ihany;
fitiavana any an-koatra, tsy hitohy ety an-tany:
nandratra ny fitiavako efa tena lalina
Ilay nofinofiko alina.
--------
Rohy:
1648 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 05/02/2015 20:03
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155