iny ranomasina iny (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feon'ala izay miritsoka any andranomasina any
No reko toa tomany ato ampoto-tsofoko ato
Toa mandritso-moramora ny foko manontany,
Aiza loatra izany fa tiako mba tsy hiato.

Izany ritsok'ala izany no mandefa ny vinaniko
Hibanjina olontiana any ankodaoda any
Mitondra vetsovetso ka hany mba tomaniko
Ny hitia anao hatrany.

Ny ranomasina iny sy ny onja izay atopany,
Mampanembona ahy anao izay notiavina
Ny tsikitsiky alefako toa dify vao rakofany,
Ranomasina iny; manan-kery miafina,
Mampisento loatra nony embona nafafiny.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1555 0
Hevitra mandeha
vounji ( 21/02/2015 17:54)
ho anao mahatsiahy

iny ranomasina iny mantsy
no manosika ahy koa
raha mandre anao mihantsy
hoe feno embona am-po

dia io ranomasina io ihany
no sakana tsy ahafahantsika
noho ny halaviran-tany
hifamihina, hifankahita

na eo aza io ranomasina io
ny foko tia anao anao madio
tsy azony asiana sakana

tsy hay fefena mantsy fa manana ny zony
ka na hanafiotra tsy ho tony
sahy miampita tsy mila lakana.

Sibory
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 15/02/2015 05:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017