kilalao fitia (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zatra teo an-kianjan-dray sy reniko aho no lasa nikopaka elatra any
Nitondra vazo manja hampanginako tomany,
Raha sendra ka irery dia mianatra midola
Mankafia milamina ny teniny miangola.

Velon-kira loatra anilan’olon-tiana
Tantely mamy lava lalaovina dia Ariana,
Dia lasa mamo lava mandrefirefy tany
Kilalao fitiavana no fialamboliny any.

Tanora ihany anefa alaim-panahy mazàna
Miaritra ny fitak’itony hatanorana,
An-kady vao mangahy, mahatsiaro ny hadalana
Tanora mpiova vazo hatrany am-pahazazana.
--------
Rohy:
1571 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 20/05/2015 17:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142