manina (cedarf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry onja malefa-pandihy tsy mitony,
Mitarika foana ny saina hilefa,
Hamangy olon-tiana any ampitan’ny ony,
Fa manina an’azy ny saina rehetra.

Ry ala miritsoka mora any ho any
Manainga ny fo sy ny saina ho manina
Lamakon’onja malefaka hatrany
No re ka mitraotra ny tsiahy mahafanina.

ry vohitra maro mba tiako hovitàna,
hihaonako indrindra amin’azy any ho any;
ry ranomasina tiako hiampitàna
hoento misosa aho fa mila hitomany.

Mba hoento ry andro izay tiako hodinganina
‘ty fanahy tokako te mba hiainga
hikalo fitia fa ny foko, hono, manina,
manina foana; fitia tsisy lainga.
--------
Rohy:
Sokajy : embona
1509 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : cedarf
Nampiditra : cedarf
Daty : 03/01/2015 11:25
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144