nahatsiaro anao - cedarf
Azo vakiana?
ny alina aho tsy nety fa nisaina anao ry tiako;
nisento dia nitsiky, nifendro sy nifoko,
nibanjina ny kintana tanaty fitsikiko;
ho hita taratra any, izay tato anaty foko.
najaniko tanaty minitra vitsy monja,
izay adin-tsaiko lalina nanototra ny saiko;
nofoanako ny foko, nataoko toy ny fonja,
ka ianao no hany tokana, gadra nokasaiko.
nofoanako ny saiko, tsy nisy notsaroiko,
noadinoiko tamiko ny tany sy ny fiainana;
ny tolony noariako, ny fihany nafoiko;
f'ianao no hany tokako nibahana fisainana.
koa asaiko ianao hitsidika ny ankanin'ny fanahiko,
hoentiko hitenty ny mamy izay koboniny,
ireo kalom-pifaliana, ireo fitiavako noiraiko;
hamaky ny ati-fonao, ho izaho no mba tononiny.
mba satriko, eny manko! raha mamy foana ihany,
no rivotra misafo sy mifafy zary tony;
fa tiako ny fanahiko manontolo hatrany,
no hoentiko hitarafanao fitia tsy lefy intsony.
ka tiako raha androany, no tena hiantombohana;
hiaraka hitsiky, hiaraka hisedra ny onjan'ito tany,
hanambatra ny molotra, fa andro ifanorohana;
hiarahan-tsika hanaisotra, ny herin'ny tomany.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : cedarf

Nampiditra : cedarf
Daty : 06/05/2017
Mpamangy : 987
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
veloma ho an'i diana (mandria am-piadanana)nofy
tokatrano sambatra
mandrapihaona
tiako mba taterina amin'i
tsiahy any alavitra any
matokia
veloma namako
Lalim-pahoriana
mba satriko